<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Hianao ry Jeso o FFPM636</title>
<lyrics>[V1]
 Hianao, ry Jeso ô !
 No mba hatoninay
 // Tompon'ny aina //
 Mba mihainoa ka avia.

[V2]
 Mba ampangino re
 Ny ao anatinay,
 // Tsy hisy renay //
 Raha tsy feonao.

[V3]
 Aoka izahay handray
 Ny fanavaozanao
 // Ka mba hitovy //
 Toe-tsaina Aminao

[V4]
 Mafy ny adinay,
 Ka be ny tahotray;
 // Nefa tsy resy //
 Izay miankina Aminao.

[V5]
 Dia tafionao
 Amin'ny herinao
 // Mba ho mpandresy //
 Izahay mpianatrao.

[V6]
 Ny fonay hafanao
 Mba hirehetanay
 // Amin'ny asa //
 Izay omenao hatao.

[V7]
 Mba ho tanterakay
 Izay tena anjaranay,
 // Dia manomeza //
 Fo miray aminao.</lyrics>
<hymn_number>636</hymn_number>
</song>